You are here: home > Vetso

GASIKARA - Toetra RAJA

Azo vakiana?

GASIKARA


Misy toerana
Malaza
Tena fanaperana
Aza,

Ary akanin-
Java-tsoa,
Sy ny hanim-
Pitoloha,

Ny harena
Mierinerina
Moa tsy Edena
Tafaverina ?

Zava-bita
Nanahary
Mbola hita
Miharihary.

Misy kosa
Noforonina,
Miavosa
Tsy voatonona,

Na tanàna
Na ny saha,
Ny "lalàna"
Koa angaha...

Fari-tazana
Narindra :
Fahombiazana
Indrindra !

Miezinezina
Aok'izany
Andrarezina
Ao tsy lany

Dongadonga
Ankohonana
Hahatonga
Fialonana !

(...)

Na bikaiko
Toy izany
Sy antsaiko
Eto hatrany

Ary itoerako
Ihany koa,
Reharehako
Hono moa !

Hafa ihany
I GASIKARA
Ilay tany
Tena tsara

Nahalatsahan'
Ny tavony
Tao an-tsahan-
Drivo-tony

Ny havoana
Tany marina
Satry foana
Ho fantarina.

Ary izato
Alaàlany
Rari-vato
Salantsalany...

Tsy mirimo
Anefa ny olona
Any "Atsimo"
Raha mitolona

Fa milamina
Hatrany
Mihaminkamina
"IHANY".

Saingy hita
Misy reraka
Voakita
Raha miteraka

Vatravatra
Vono moka
Mahazatra
Ny mpifoka...

Tanindrazana
Io tsarovy ;
Misy ngazana
Ao arovy !



Toetra RAJA
08 novambra 2007

http://www.freewebs.com/toetraraja/

Sokajy : Tanindrazana

Hametraka hevitra

Midira aloha