I KALATIAKO (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
I KALATIAKO

I Kalakely
Moa amiko
No tantely
Fy sy mamiko !

Tsy mba foiko
Tokoa
Ka antsoiko
Hoe i Kalasoa !

Nefa injao
Izy tsy hita;
Sahy nandao
I Kalangita !

Lavitra ahy
Ilay malala,
Tsy izy va
No i Kaladala ?

Atsy ho atsy
Izy indray
No i Kalaratsy
Mpanafay ?

(...)

Fa na ngita
Sady petaka
Tsy hita
I Kalaketaka :

D’izy ange
No i Kalatiako,
Na mahabe
Ny fahoriako !


Toetra RAJA
26 mey 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1481 5
Hevitra mandeha
kally ( 15/09/2005 19:22)
Hafa kely!!misaotra nizara zava-mahafinaritra!
pissoa ( 01/12/2005 14:06)
aingam-panahy izao ...hmmmmmmm - tsara e!
kala ( 10/05/2006 05:30)
fafao ny alahelo sy ny fahoriana fa i kala koa mitoetra eo foana ange ê! misaotra fa mahafinaritra be.
kala ( 11/01/2007 07:07)
niverina namaky teto aho fa nasain'i pissoa manketo ndray ê! fa mbola tiako be foana le tononkalo ê!
kala ndray na inona na inona : tsy miala!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 03/09/2005 21:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143