LOKILOKY (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LOKILOKY


Andro hariva
Tsisy olana
Efa hadiva
Diavolana,
An-kodimiran'
Arabe,...

Miramirana
Tarehy
Izato ianao,
Lokiloky
Milalao
Tsy mety voky
Sy tsy tola
Fa vao mainka
Miangola
Sy milaika.

Sarin-teny
No lalao
Izy ireny
No atao
Mampiontana
Fanahy
Manamontsana
Ahiahy.

Lokiloky
Ho'aho ianao,
Io dia toky
Tsotra izao;
Misamonta
Koa ny foko
Ka miatonta
Ny toloko,
Ny endri-tava
Dia midika
Fa mazava
Ny amintsika !

"Ny ora ito
Tsy voatàna
- Amin'ny fito -
Ka faingàna
Moa indrisy
Hifandao
Fa tsy hisy
Azo atao.”

“Rahampitso
Raha toa
Tsy hahadiso -
Mahasoa,
Moa mety
Raha mihaona
Vetivety,
Sa ahoana ? "

Ny varavarana
Efa akaiky,
Ka iarahana
Manaiky
Fa ilaina
Koa ny alina
Hampisaina
Zava-dalina.


Toetra RAJA
10 novambra 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1472 1
Mpakafy: zakilinina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 02/06/2006 20:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142