You are here: home > Vetso

MAMAFAZA VOA - Toetra RAJA

MAMAFAZA VOA


Mamafaza
Voa
Ka aza
Mamoy fo
Raha tojo
Sarotra
Sy rojo
Hamatotra.

Mahereza
Saina
Meteza
Sombinaina
Mitrakà 
Faingana
Hizaha
Izay ombana.

Hahazo
Voka-tsoa
Hazo
Fihinam-boa
Fanatitra
Amin'ny fo
Rakitra
Avo loha.

Mamafaza
Voa
Hilaza
Teny soa
Handrombona
Tsy hadino
Hampiombona
Ny mpino.

Raha vao
Maraina
Hany atao
An-tsaina
Mazava
Be tokoa :
"MAMAFAZA
VOA !"


Toetra RAJA
28 martsa 2008

http://www.freewebs.com/toetraraja/
______________________________________

Sokajy : Vavaka

Hevitra mandeha

razamble (01/09/2010 10:12:40)

Mitovy amin'ny kalitao ananan'ilay hira protestanta 306 ity tononkalonao ity.
"Mamafaza voa, k'aza mba malaina
Fa tsy fantatrao izay ho vanona ..."
Misaotra nizara.

Hametraka hevitra

Midira aloha