You are here: home > Vetso

MISY FEFY - Toetra RAJA

Azo vakiana?

MISY FEFY


Misy fefy
Tsy mazava
Fa mandrava

Izay tomefy
Ao anaty
Tsy mba maty

Tsy tadidy
Nefa kosa
Miavosa

Fa mihidy
Manafay
Indraindray.

Ny fitiavana
No simba
Voazimba

Misy havana
Akaiky
Moa miaiky,

Tadidio
Indro ambara
Heno tsara

NY HAMBO IO
No tena fefy
Tsy mba lefy !


Toetra RAJA
25 aprily 2008


Famaritana nomen-dRajemisa Raolison
Hambo : Fiheverana ny tena ho ambony; firehana ho tsy mitovy amin'ny hafa amin'ny zavatra rehetra; filazana ho mahay zavatra tsy hay; fandokafan-tena tafahoatra.

http://www.freewebs.com/toetraraja

Sokajy : Hambom-po

Hametraka hevitra

Midira aloha