ROVA VOADORO (Toetra RAJA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROVA VOADORO


Tazano
Iry ROVA
Voadoro,
Tsy angano
Fa lova
Mikoro !

Banga
Ilay toerana
Ambony,
Imanga
No itserana
Hitony !

Ny hany
Mba sisa
Miangana :
Tomany
Alin-kisa...
Fo mangana !

Ilay
Tantara
Voahosy;
May
Lafy tsara
Ny Nosy !

Na foana
Poak'aty
Ao, fantaro,
Ahoana
No maty
Ny tsiaro ?

Tsy foiko
Fa rovako
Harenako,
Koloiko,
Arovako,
Ambenako !


Toetra RAJA
31 oktobra 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
1488 1
Hevitra mandeha
Romuald ( 13/05/2006 15:13)
Tena trara mihintsy io hafatra io satria try manana ny mba anjarandovantsika intsony isika. Trara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Toetra RAJA
Nampiditra : toetra
Daty : 31/10/2005 01:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097