You are here: home > Vetso

VAHINY - Toetra RAJA

Azo vakiana?

VAHINY

Mizaha tany
Ny vahiny,
Akory izany
Fifaliany ?
Notondrahana
Tantely
Sy narahana
Bà kely !

Nony nonina
Avy eo :
Mimonimonina
Sy leo
Ny tompontrano
Fa nidirana
Angano ...
Manahirana !

Ary rehefa
Valovotaka :
Manefa
Hotakotaka,
Tsy an-tany
Am-parafara ...
Lavitra any
I Gasikara !

(...)

Izay mandalo
Ka mitoetra
Moa "fahavalon'"
Ny rehetra ?

Na fahiny
Na anio
DIA VAHINY :
... IKIPIO !

Tsisy tsiny
Ny amin’io
FA VAHINY :
... ITSIKIO !

Ankehitriny
Tadidio
IZAY VAHINY :
... MBOLA HADIO ?


Toetra RAJA
19 septambra 2005

Sokajy : Ady

Hevitra mandeha

NyKanto (26/08/2006 10:37:26)

Mankafy e!

Ny Kanto

Hametraka hevitra

Midira aloha