ANATRY NY ZOKY (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANATRY NY ZOKY

Zandry a !mba mianara tsara,
Jereo ny fiainantsika,tsinjovy koa ny am-para,
I Dada sy i Neny anie tsy ho eo foana foana,
Hamahana anao raha iny sendra noana….

Mba ampio izy ireo amin’ny raharaha ireriny
Mahaiza koa manaja sy mankatoa ny teniny
Aza avela ho fotsy rora izy ireo raha mba mananatra,
Fa mba ampisehoy azy,fa ianao dia zaza mianatra !

Ianao no kiady sy andry hianteherany,
Koa ifanampio izy, raha indreo mbola manosika

Mandram-pahatonga,ilay andro fahanterany,
Miezaha hatrany mba tsy hahatonga azy hilofika,

Mba ho tafita ianao amin’ny fiainana ho avy…
ZANDRY A,RAHA MBA METY RE,MIANGAVY !.....

Tsanta MIkANTO 50413
--------
Rohy:
1892 1
Mpakafy: navh
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144