ARENDRINA SINOA (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ARENDRINA SINOA
Arendrina sinoa,.. no andeha hovidiany,
Fa iny hono mantsy no maminy sy tiany,
Fa ireny hono… no lamaody sady manja
Hanandratany ny tenany ho olo manan-danja !

Mba inona ny anao,izay baoritra manify
Raha mihoatra ny azy dia kôtiany ho tsy misy
Tsy manintona ny maso,tsy mahasarika mpijery..
Fa efa dilan’ny ela,efa naman’ireo very !

Dia faly i « Kely maso »,fa mandeha ny tsenabeny
Mody hatsangany ny saina mba haneho ny fahendreny
Dia ampiany doka kely hoe : « HO AVY IZAO NY FETY ,
IRENY NY ARENDRINA,KA JEREO IZAY METY » !

Ireo voazanaka ara-tsaina,dia nanisa ny isan-jaza,
HIvidy ity arendrin’ny andro iray malaza…

Andro iray malaza…nahatapaka ny fonja ???
Sa….andro iray malaza ho an’ny kojakoja ????

Hono hoe :andro iray malaza ho an’ny firenena ,
Satria andro iray malaza ho any’ny fahaleovantena ?

Madagasikara dia arendrina sinoa,
Vitany manjelatra ka tretrika tokoa,
Mahajambena maso ny tara-pahazavany
Kanefa tsy ho ela..dia tsy hita no hiafarany..
KA SAINO MORA IHANY

Tsanta MIKANTO 19 06 15
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
971 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107