EMBONA (Tsanta MIKANTO)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EMBONA
Any ianao mantsy,any manirery,
Tsy mahalala akory,lay fitiako misitery…

Any ianao tsy fantatro,raha mba mamisavisa
Fa izaho aty mandinika ny kintana alin’kisa

Any ianao any,’lay hivavahako isan’alina
Mba ho nofinofisiko ao anaty nofy lalina

Any ianao ka any,tsy mahalala akory
Fa izaho isan’andro dia tsy mahita tory..

Any ianao,’lay tiako,tsy haiko raha ho anjara,
Fa izaho ity manembona eto ambony farafara !

Tsanta MiKANTO 150426
--------
Rohy:
1512 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014