GASIKARAKO HO AIZA? - Tsanta MIKANTO
GASIKARAKO HO AIZA ?
Iarivoko rahampitso, Gasikarako mankaiza,
Toa nofo iray masiso, toa zaza ratsy taiza
Lotoin’ireo mpioty, mpaka tsy namboly
Ny mitondra anao ? toa ataony ala voly !!
Ohatra itony,tena mahangoly…
HOE …
Aloka mandifotra, trànga iray tsy ekena
Manarona ny nosy, mambotry firenena
Nefa toa manaranaka, hita hatreny an-tsena
Indrisy mampahory, irony KOLIKOLY !!
Valala, hanoanana, traboina no manjaka
Raha fahantrana dia Gasikara tompon-daka,
Rahoviana vao mba hisy, hisy hanetri-tena,
Mba tena hampandroso ho kiadim-pirenena,
Ka tsy hameno paosy, hivarotra ANDRAMENA
Fa hampijoro tsara ity nosy iray mivena !
Nampiasainy ny tehina mba hamitahany ny jamba
Mody omena ireo fitaovana, nizarany lamba,
Dia injao notambazany tamin’ny « androany monja »
Nefa indrisy izao ny fiainana, toa toy ny any am-ponja !
Tsanta MIkANTO (MARS 2015) Mbola hitohy…
Mombamomba
Mpanoratra : Tsanta MIKANTO

Nampiditra : tsanta mikanto
Daty : 04/07/2015
Mpamangy : 778
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
HITOHY MANDRAKIZAYHAFATRA HO ANAO
IZAHO 'KOA MBA TE...
NOSIMBAINAO
MANAIKY AHO FA RESY
TSY IANAO IRERY
NY TAKARIVAKO
SAIKY NENINA
FITIA IMORONA
KALOM-BORONKELY