You are here: home > Vetso

RAHA TOA KA... - Tsanta MIKANTO

Azo vakiana?

RAHA TOA KA…
Raha toa ka…
Mbola hiahiahy hatrany,
Dia aleo ho nofy ihany !

Raha toa ka tsy hifamaly,
Fa mbola toy ny omaly,
Dia aleo aho tsy hiangaly..

Raha toa ka mbola kiana
No azoko amin’ny tiana,
Dia sento ifandrafiana,..
‘Zay mahatonga fijaliana !

Raha toa tsy hitampify
Izay mety ho tandrify
Dia aleo ho any mihitsy…

Tsanta MIkANTO 07/04/15

Sokajy : ahy, Fitiavana