Andray ! - Tsikiko
Azo vakiana?
Andray re ry foko tsy mba manadino
Andray izany saiko voatondraka ilo
Ny fisainako lalina toa tsy miteny
Ny maso mahitako, mirenireny ;
Ny sofi-mandre ? Toa tsy hita antenaina
Ny vava-miteny, indrisy malaina !
Fa dia inona loatra no hananan'izy iny ?
Fa dia nanao ahoana izany fahiny ?
Fa nahoana ? Hono hoy aho nahoana ?
Maninona no tsy avela ho foana
Ireo tondraky ny lasa ? Avelao moa ho levona
Fongory ao am-po, aza avela hiredona !
"Izy iny"... Izy iny ? Olon-tiko sy tsy foiko...
Malalako... Tiako indrindra nokoloiko...
Tsy mba nisy hoe nahoana ? fa naninona ?
Na dia efa lasanao, ry Raiko Tsara, tsy maninona...
Hataoko ho ampy ahy ireo fotoana niarahana
Hataoko ho hasambarana hanohizako lalana :-)
Hevitra mandeha
mitsoa (08/12/2012 11:18:55)
Mombamomba
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikikoDaty : 04/02/2004
Mpamangy : 3173
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Mbola hiaonaFO TIA
tandrifin-drahona
lahin-jiro manentona !
...aoka izy hivavaka
Iny lalana iny mantsy...
Mandainga
Jesosy
Ny foko...
Ny foko...