You are here: home > Vetso

Mbola hiaona - Tsikiko

Azo vakiana?

Moa mifankaiza akory ny eto sy ny any
Raha mbola hiaonantsika na misaraka aza izao ?
Saingy ny eto kosa hoy aho feno sento sy tomany
Tsy mba toin'ilay any feno tsiky tsy mandao

Moa mifankaiza akory kay ny eto sy any
Raha hifankahita isika rehefa ho tonga indray ny Tompo ?
Saingy ny eto kosa kay, fohy sy misy fiafaràny
Tsy mba tahaka ny any, mandrakizay, tsy miofo

Mifankaiza ve ny any sy ny ety ?
Raha mbola hifampitanana hitsena Ilay Messia ?
Saingy ny eto kosa nefa, mora rava ho lavenona
Fa any indray isika, miran-dava sy ho velona !

Tsy mifankaiza akory ny eto sy ny any
Satria Jesosintsika no efa niainantsika hatrany !
Ka na misaraka aza ety, mbola hiaona any danitra
Tsy hisaraka intsony, hiara-hidera an'Andriamanitra

Sokajy : Fampaherezana

Hevitra mandeha

fiaritiana (28/02/2006 17:52:52)

tsara ny tononkalonao mahereza!

aikon (05/03/2006 07:47:17)

tsara fa tokony ho poezy no sokajiny fa tsy tonomkalo raha poezy no nandrindrana azty dia misy lanjany kokoa angamba dia andramo atao anie izay e fa ho itanao ny maha tsara azy

Hametraka hevitra

Midira aloha