Mandainga (Tsikiko)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa nandainga izany foko raha nilaza tsy fitiavana
Ninia namerina tsy niato tao an-doha fa fihavanana
ihany, no misy amintsika ; tsy misy ankoatra izay
Hay nandainga ilay foko, diso paika izy kay

Toa namitaka ahy ny saiko nanambara faherezana
Mody tsy niraika tamin'ireo sakana, tetezana...
Toa faly tamin'ireo voalaza fa "fahasambaranao"
Hay namitaka ilay saiko, diso paika izy izao

Hay marary ny foko raha mandre anao mitia
olon-kafa fa tsy izaho, na vatrako ny minia
mamerina fa "namako" ianao, ny saiko tsy manaiky
Hay mandratra ahy ireo ry "namako akaiky"

Marary kay aho rehefa iny ianao mitantara anareo
Mizara ahy ny hasambaranao, isika mpinamana rahateo
Manontany ianao ny amin'ireo izay tokony hatao
Ireo fombafomba kely... Hay maratra anatiko ao !

Dia mitsiky aho sy faly... Rehefa iny ianao milaza
fa nifanoroka ianareo... Nifamihina toy ny zaza...
Na koa nifampizara fiainana, nofinofim-pitiavana...
Nitsikim-pahatsorana aho, satria izaho sy ianao "mpihavana"

"Mpihavana"... satria "mpinamana akaiky" isika
Fifankatiavana madio, fihavanana botsiaka...
Saingy hay marary ny foko sy ny saiko
Rehefa iny ianao mankany "aminy", milofika ny aiko...

Izany ve tsy manambara fa "tia anao aho" ?
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
2746 0
Hevitra mandeha
paolla ( 22/10/2007 12:41)
slt tsikiko mlaiB fa tohizo fôn2 e!d zei ko manoan fôn!!!!!!!!!!!!!!!

Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 04/02/2004 13:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014