Ampidiro aloha ny tenimiafina
...aoka izy hivavaka (Tsikiko)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha ny ho avy nandraindraina no mitopy fangidinaka ny ampitso nolalaina misaritsary fahakivina
dia ho aiza intsony moa ? handroso tsy afa-miemotra
valabalaka ny fo ! ny fisento toa manempotra
raha ny tsiky izay notiavina lasa eso sesehena
ka ny teny nankatoavina tonga latsa mahonena
dia akory moa atao, hiantso tody sa hanozona ?
na ny saina mitalao, ny ranomaso ao am-bozona
raha ny sandry namamiana no kobay midaroka, mamely
ka ny tanana kaliana no vono felaka mandemy
aiza intsony no hifaharana, hianavaratra, hianatsimo ?
zary miantso fitsaharana ! very hevitra sy adino
raha ny tratra niondanana lasa afobe misokatra
ka ny fo mba niantsapazana tonga fandrika namotraka
hotorahana ary ve ny volana ? aleo mangina dia mivavaka
Jesosy ihany no vaha-olona ! Ilay torohevitra miavaka !
ka raha ny topi-maso nahamirana lasa ranitra mandidy
na ny toky nampamiratra no tangena mampangidy
aza miteny intsony ! mitsikia dia manonona fivavahana
Ilay Ray tsara ao ambony, mihaino anao sy manalalàna !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
