Tsy maninona - Tsikiko
Tsy maninona kay izay zavatra miseho,
Na tsara io na ratsy, isika miaina rahateo,
Hiaina foana tsinona n'inon'inona mitranga,
Tsy aleo ve miaina tsara ? tsy mamela banga
hitoetra eo amin'ny fiainana, fenoy fitiavana
ny tsy ampy, fenoy fanantenana sy avana
ny tsikinao, ny fahamirananao, ny hehinao irery
tsy ho very maina akory, ho harenanao ireny...
Aza matahotra, momba anao ny Tompo,
sakaizany isika, zanany fa tsy mba mpanompo,
N'inon'inona mitranga na miseho eo amin'ny fiainana,
Tsy maninona ireo, aza misy hitarainana !
Sedra mafy, ady sarotra, fitsapana mahamahay...
Herezo ny dia ! Jesosy eo foana, ary ho mandrakizay,
Andao hiaina ! hiaina am-pifaliana feno tsiky,
Hiaina "tsara", hiaina mirana, lavitra "indrisy"...
Andeha hiaina, na androany fotsiny ihany aza
ho voninahitr'Andriamanitra, hanaposaka ny mazava !
Mombamomba
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikikoDaty : 04/02/2004
Mpamangy : 3634
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mbola hiaonaFO TIA
tandrifin-drahona
lahin-jiro manentona !
...aoka izy hivavaka
Iny lalana iny mantsy...
Andray !
Mandainga
Jesosy
Ny foko...