Jesosy - Tsikiko
Azo vakiana?
Fotoana vitsy monja izay no lasana sahady
Vitsy hoy aho satria maro loatra raha ny ady
no hotanisaiko eto, amin'ny diam-peniko io
Fotoana vitsy monja... Nosaloran'ny tadio...
Toa nisafotofoto, nitondra sy nandrava
ilay rivotra mahery, nitady tsy hisava
Nampivadibadika ny foko, nanimba, mampijaly
Namono ny fanantenako, ny marainako mba faly...
Dia niraraka ny ranomaso, nilofika ny fo
Nisento ny fijery, nalahelo be nanjo
Tsy nahita ambara intsony, sina, gina sady very
Saingy nisy hazavana, niposaka mahery
Hazavana sy hatsarana,
Hery tsara, hatanorana
Fiadanana, fampindram-po
Harena be, avy amin'i Jesoa.
Sokajy :
Fiderana
Mombamomba
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikikoDaty : 04/02/2004
Mpamangy : 3105
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Mbola hiaonaFO TIA
tandrifin-drahona
lahin-jiro manentona !
...aoka izy hivavaka
Iny lalana iny mantsy...
Andray !
Mandainga
Ny foko...
Ny foko...