Haiteny (TSILOKO Mahadiny)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hanina anao tsy mba tolaNo antom-pisian' ny embona
Ka misoka mandrava ny tsiky,
Ary embona anao tsy voafefy
No antom-pamoha ny hanina
Ka mikiry manandra sento.
Tsy sentom-pitia torajofo nefa
Na sentom-pitia toa setroka
Ka tavanan' ny adala sy hendry
Na handitsoka maso tsy fidiny.
Fa sentom-pitia latsa-paka
Ka mijoro tsy azo azera.
TSILOKO Mahadiny
(26-08-04)
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/tsiloko-mahadiny/haiteny
Sokajy :
Hanina