azonao! (tsiolaka)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Azonao rombahina izay rehetra am-pelatanakodia azonao fongorina izay kely mba hananako
F’izaho tsy hiteny izany,sanatriaviko ny hamaly
tsy hanandra-tonombavaka na hiantso tody izany
Azonao lotoina amin’ny resa-tsy manjary
ataovy ambetin-dresaka ,omeo teny maharary
fa hangina aho tsy hiteny,toa ireny moana ireny
na sokajianao ho kanosa na sahalainao ho malemy
Azonao ratraina f’izany aloha tsy ahoako
Avelako aza hanarana, hanimba izay ataoko
Ny tsy ekeko velively ary hany tsy andeferako
Ny mikasa hanisy ratsy ireo zanaka naterako
fa ireo tsy ananako havana ,tsy ahalalako tiana
na iza na iza mamiko,raha ireo no hoe tsiniana
tsy andalako fihavanana raha sendra ka tohinina
ny ankoatra’ireo tsy ahoako fa ekeko tsy maninona !
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
tsiolaka
