lasa i dada! (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nanjombona maraina ny lanitray ray olona,
ny anjolofon'ny ankaso ity tsy vatra nidifiana.
Mangidy sy mafaitra saingy efa anjara tolona
Dia miondrika tsy satry ,milofika mangina !

Masiaka loatra lahy izato ankasonao ry tany
saingy afaka haninona? Malia moa ny aina.
Manaiky aloha hatreto ry lahatra mavany
tsy azo ihodivirana fa tendry tsy hay tohaina.

Maty jiro mpanazava izao Ilay akany kelinay!
mioza ranomaso ,fa tonga ilay fotoana
"Mandria am-piadanana lehitsy ialahy ry dadanay"
an-dranomasina fitaratr'eny indray isika mihaona.

Tsiolaka
01052024
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
100 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 07/06/2024 23:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0259