Mba todiho (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa niezaka ihany aho ny nangalatra fijery
Niandry topimasonao anandrify koa ny ahy
Saingy toa tsy tsapanao ity fo rako-pery
Maniry mafy ho tiavina , tototry ny adim-panahy

Toa tsy tsapanao akory Ilay fipitrako miandry
Na aza sombintsombin'ny fitia avy aminao
te hiampify,te hisambatra ,sy ho voky tambitamby
Saingy indrisy ry Malala fa toa tsy mba tsapanao

Dia eto aho manontany hoe inona Ary no ataoko ?
Moa hiandry Ilay rariny,! tsy handrombaka amin-kery
Manery mafy loatra mantsy Ilay fitiavako tsaroako
Manantena mafy anao hanasitrana ny fery

รด ry olo(na) mamiko iny ,ry Ilay tian'ny fanahy
Rahoviana ianao no hitsinjo Ilay foko sasamiandry
Moa mbola aharitra ela vao hitodika ahatsiahy
Mba todiho fa aza ilaozana ilay tia tsy tafandry
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
65 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 27/09/2024 17:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0311