MIKALO (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaty sorabakana tsinjo teny ho eny
Nisy tery izay mikalo tsy voamboraka amin-teny
Fa alonalon'endrika maninteraka fanahy
Tambolimbolin'hararetran'onjan'ny tsiahy

Anaty soradanitra Ilay diva haraina iny
Misy soritsoritr'endrika mikasa hivahiny
An'heritreritro ao tsy fantatra hoe nahoana
Fa reko injao misikimponitra mikalo antaranoana

Anaty diavolana Ilay tomaratra fitaratra
Misy endrikao mikalo , mendrika s'y Lafatra
Ilay izaho mierimpanahy no tsinjoko mazana
Nampipongatra ny tsiky namololona tsy tana

Anaty feom-baliha ilay mikalo takariva
Arahin-tsikadraha midridroka ivaiva
Misy embona miraratra,menenika mangina
Toa topimason'ilay tia maniry mafy ho Tiana


Tsiolaka
15-05-2023
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
105 1
Mpakafy: tsiolaka
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 08/06/2024 07:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1422