Teo (tsiolaka)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eto am-pandinihana Ilay sarinao indrindra
no nitamberina tan-tsaiko Ilay fotoana afak'omaly
Ilay fijery ,ilay fitsiky,eny hatramin'ny famindra
niraikitra an-tadidy ireny hasambaran(a) tena mamy .

Ilay ianao menamenatra ,toa tsy ahitana teny izany
raha notohofako mangina Ilay molotrao tsy manantsiny
ny taramenan'endrikao , niondrika nijery tany
toa mirana , sahiran'iny voalohan'oroka iny.

Ianao niantsampy teo an-tratrako,tiako aharitra ho doria
ka notsenaiko safosafo ny takolakao niriko
minitra monja saingy mamy ,vaky vony Ilay fitia
lasa sasin-tononkira kanto,miavaka ary tiako.

Naharendridrendrika ahy Ilay hanitrao tsaroako
nampirindra tempom-pò , nampitobaka fitia
Ilay hafanana taminao nampandevy ny aty foko
ry Ilay silako am-panahy ,resinao 'ty fo malia.

Tsiolaka
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
98 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : tsiolaka
Nampiditra : tsiolaka
Daty : 12/06/2024 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016