Am-bovonana (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
misy toerana tsy ho hita
toerana zay manirery
saro-dalana, fa ho vita
raha ianao no manendry

Te ho any aho
Ho ento any aho
tsy ho reraka, eny ho tonga
Iantrao aho
mitalao aho
aza avelanao hilonjy

Tsy anio fa andraso
zany foana isan'andro
Tsy tsapanao ilay ankaso
hila ho dify ilay masoandro

nefa ianao nampanantena
tsy hita ihany hatrizao
ireo toky sesehena
lasa resaka fanao

mampitamby iray lovia
fotsim-bary nefa tanana
tsy maneso aho sanatria
fa mba tiako ho tsapai-tanana

fantatro fa saro-bidy
manohatra no' ny volamena
f'anjaranao no misafidy
sa tsy mendrika ny tena?

tsy ho tonga any aho
raha tsy ianao no mandahatra
f'hozony aho raha hitanao
fa tady hanao tsidi-mpahatra

raha tonga any aho
hitoetra aho
ho hitanao, tsy hiverin-dalana
ra' isan'andro ianao,
no mitalao?
Izaho dia andry hifaharana

Dia manantena na dia mbola
tsy hita taratra aza moa
fa mamy no' ny diamondra
lay falehan'olon-droa
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1249 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 23/11/2012 11:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133