Anirotra (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Halefero ny ambo-po
f'ity mahantra re jerena
eny torotoro fo
ity zaho re mahonena

Tsy tso-drano no tadiaviko
fa somary hafa kely
fa ny tanana ho tantaniko
ary arahina ba kely

Nefa........

Ny etaeta no any ahy
fa ny anjara dia tsy fantatra
eny ngoly ity fanahy
ilay ampitso ankamantatra

Aza atosi-boho tanana
raha tsy izaho ilay niriana
fa mba raiso ho tonga namana
raha tsy ho olon-tiana

Tsy hifanomezan-tsiny
raha toa moa ianao tsy tia
izaho tsy hitsahatra ny haniry
ho tia anao doria doria

Tsy ho arahiko alahelo
raha toa ianao ka mitsipaka
tsy fahotanao velively
fa ny foko no namitaka

Nefa hitsetsitra ny aiko
satria izaho dia tena tia
ianao ilay lalaiko
no nanifik'ahy tery

Ary....

Aza atao dia maharary
f'ilay fo feno fitiavana
efa maritra aok'izany
ampy ho ahy ilay notazana

Fa....

Nefa kosa any andro
ra' misy nenina ho anao
ny fitiavako tsy halazo
ary ho ataoko ho tsapanao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1291 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 15/12/2012 10:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0842