Tsipolitra (Tsiroa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako ra' mba hitafy
ny ankanjon'ny fitia
ka ra'mandalo aho hiantsampy
ka hiraikitra doria

Tsy hiala......
Ary hitoetra......
izay niriako hatry ny ela
hizarako ireo rehetra;
Tsipolitra niri-tavela

Tiako ra' mba ho ahy
Ilay oroka maraina
zay mamporisika fanahy
mampahatanjaka ny saina

Eny hifikitra.....
ho lalim-paka.......
satriko tsy hihozingonzina
tsipolitra tsy mba mandratra
tsy toy ny tsilo izay manindrona

Tiako ra'mba h'izaho
no sentonao mandritry ny alina
ka ny maraina izao sy ianao
hifanoroka tsy hijanona
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1763 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 29/10/2012 10:58
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0704