Sikotra (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Voavolan'ilay tompo
tsy tany manga velively
Voahary hafa loko
zato ianao toa hafa kely

reto ratsana mandravaka
tena hita fa voakaly
Ilay bika izay mihavaka
tsisy diso, lavorary

Ilay feo izay miteny
dia milantolanto fatratra
manakaiky voron-kely
angamba anjely fa tsy fantatro

ra' manganohano maso
To ranomasina fitaratra
ma'pihetsi-po, tsy hatao andraso
tsy havelako hiraraka

He nalainy re ny volana
ka nataony ho masonao
ity volo raha aolana
toa vita tsy natao

Ny tahaka dia tsy misy
Tena malaza, efa fantatra
ny fahaizanao mitsiky
izay hita tena zavatra

Reto nify izay mirenty
tena hita vita tao
ilay tava dia voatefy
tena tsara tsotrizao

Ireo molotra voatokana
tsy mba misy indro kely
reo fandainga izay manokana
mahasarika mpijery

Tsy hadino ireo vohitra
Izay tena mahatalanjona
ra'mijery ianao tontoitra
eny lavitra dia tazana
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana
1347 0
Hevitra mandeha
kiriah ( 01/11/2012 07:53)
milay e!
Tsiroa ( 01/11/2012 08:58)
misaotra betsaka indrindra.
Tsiroa ( 01/11/2012 09:05)
le anao reny no tena hitako fa ao tsara
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 31/10/2012 23:36
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0494