Fary (Tsiroa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
eny fy tsy misy toa
ilay fary; fa dia mamy
tena lafatra tokoa
eh mamafa ny tomany

ahatsiarovan-ten' ho sambatra
raha mitsetsitry ny mamy
ahatonga anao hiakatra
na dia mbola eto an-tany

hatsapanao tsirom-piainana
na dia mafy ny manjo
maha-maivam-panaintainana
raha tojo azy moa

any hita indro kely
tsy hitanao andavan'andro
ahatsapa ianao fa very
tsy ho finaritra, ho lazo

fa raha sendra azy kosa
dia ho faly aok' izany
ny fifaliana hiavosa
satria tsy misy toy ny fary
--------
Rohy:
1366 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsiroa
Nampiditra : Tsiroa
Daty : 12/12/2012 10:48
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141