vavaka (Tsiroa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
He tso-drano ry naharyno hany zavatra tadiaviko
ny herinao tsy hita lany
no hanankinako ny ho aviko
Isaorako zay efa vita
reo fahasoavana hatry ny ela
Ary ankinik'ireo sisa
Hatsarao izay tavela
Ampatsihaivo isan'andro
fa ianao no mandahatra
he tohano mba tsy ho lavo
ka hifikitr'aho, hamahatra
Ny hetaheta anie dia maro
fa ny fisainana dia fohy
Ireo ratsy atsaharo
k'ijoro tsy ho lavo intsony
Ampaherezo ahavita
ny adidy samihafa
'zay tsy mety hodio tsy hita
ny halemeko ho voafafa
Dia ampio ny fitadiavana
mikely ain'aho, hitanao
Aza atsahatra ny fitiavana
Ity ondry kely-nao
Ny anaranao no hasandratra
Ry Tompo izay be hindra fo
Satria Ianao dia tsy miangatra
Izay mahay ny mahasoa
--------
Rohy: