BANGA ANAO NY FIAINAKO (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Telo andro monja tsy ahitana anao
Dia zary mangingina sy tsy miteniteny
Ny saiko mbola miady,mbola tsy matoky
Hoe tsy nofiko ary ve ireny rehetra ireny
Dia lasa tia misava izao rehetra izao
Ary lasa liana amin'ny fiainanao
Voajery avokoa rehefa sarinao anaty tamba-jotra
Voavaky impiry impiry ireny hafatrao na arahaba tsotra
Tsy hivaky aho nefa anatin'ny fisainako
Mikiakiaka mafy:BANGA ANAO NY FIAINAKO
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1720 2
Hevitra mandeha
fenohasimpitia ( 18/10/2016 04:27)
elaela ndry ts nanoratra nef n asasoratrao tena b mpakafy an!
MAMINTANTELY ( 18/10/2016 09:59)
efa handefa foana indray ka!misaotra amle doka e!
fenohasimpitia ( 19/10/2016 03:12)
Ts doka reny fa tena zava-misy ka! aza ela àr fa efa liana zay mpakafy ô!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : MAMINTANTELY
Daty : 17/10/2016 12:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015