Zaza maditran'i Mama (TSY RENDRIKA Spica)

Nantsain'i Antsa Honeywinner
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zaza maditran'i Mama iny hitanao tafita iny
Zaza maditran'i Mama iny no notiaviny fa tsy nariany
Zaza maditran'i Mama ilay niankinany rindrina irery
Ka na maditra nandratra an'i Mama aza navotany mba tsy ho very

Tsy hoe niangaran'ny vintana i Mama
Ka sendran'ny zanaka hendry
Fa nikolo ny an-tanana adala izy
Tsy nanameloka anjara sy tendry
Amin'ny ditra sy toetran'ny zanany
Fa adidiny dia notantanany

Samy manana ny anjara ratsiny io fa safidy ny mipitrapitra
Tsy hoe ny an'ny hafa no hendry fa ny anao mafy loha sy maditra

Samy adala niaraka teny
fa ny iray tsara tohan'i Neny
--------
Rohy:
Sokajy : Fetin'ny reny - Fiainana
80 1
Mpakafy: hery
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 10/05/2024 14:12
Antsantononkalo
Nantsain'i Antsa Honeywinner
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144