Hiantsa tononkalo (TSY RENDRIKA Spica)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangataka ny hiantsa ny tononkalonao aho
Ny tononkalo mantsy no sombim-piainanao hany azoko takarina
Kanefa tsy hoe “hany” fa raha ny tena marina
Ny tononkalonao dia taratra fanahy,
Ahafahako miombona amin’ny atifonao lalina
Anaty tononkalo ianao no tratra mitanisa ny nofinao noho ny alina
Eo am-pamakiana ny tononkalonao aho mahatsapa anao ho namana
Rehefa mba mandre ny feonao miantsa azy aho dia toy ny izaho mihitsy ho ampaherezinao sy omenao teny mamy
Ka aleo aloha androany mba ianao indray no mihaino ahy miantsa ny tononkalonao
Mba mety ho tsapanao ny fidoboky ny foko teo am-pahenoana anao
F’io tononkalo io mihitsy no tena mahalaza ny zava-tiako ambara
Ka mangataka ny hiantsa ny tononkalonao aho
Ary manome ny toky fa hiantsa azy tsara…
Dia tiako ho raisinao am-po toy ny nandraisako azy ny hafatra raketiny
Dia io tononkalo io ihany koa no mba iriko indrindra ho ataonao ho setriny…
Ny marina dia izao:
Te ho namanao aho

Tsy rendrika Spica
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
189 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 04/08/2023 17:36
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148