Fanamby (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiezaka hanadino ny momba anao rehetra
Handoro tsy misy miangana na marika hitoetra
Hoe nitia anao teny aho dia nampiarana herisetra

Handevina ny lasa mba tsy hisy mpahalala
Hanafina hoe niaraka dia nantsoinao hoe malala aho
Kanefa ianao tsy tia fa tena nankalala

Monja nohararaotina ny fantatrao momba ahy
Dia nisandohanao ny ho olon’ny fanahy
F’izaho moa tsotra loatra ka akory tsy niahiahy

Hibabjina ny ho aviko, tsy hisento tsy hitaraina
Hanao toy ny tsy nisy ilay olo-nantenaina
Notiaviko kanefa nikendry handatsaka aina

Izay no saika ataoko saingy eto aho tonga saina
Hoe ny fijoroako mihitsy izao no tena ilaina
Ilay izaho tafavoaka mila hirahiraina

Ho fantatry ny maro fa tsy azo itokiana ny endrika ivelany
Na toy ny ahoana fery dia midika fandresena ny holatra navelany
Ary indrindra koa, tsy hanorenam-piainana ny fihetseham-po miserana
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana - Fitiavana
190 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135