DADA (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity tononkalo ity,
Nosoratana manokana ho an'ireo 'Dada' nitia fa tsy niteraka,
Tsy misy rohin'aina nefa tsapa avy hatrany anaty hoe akaiky anao tanteraka
Nanoro sy nananatra raha sendra hadalana
Mety olona tsy fantatra na tsy ho hita intsony akory fa namela ho anao ny mamy
Nahalalana hoe, tsy ratsy saina jiaby kay ny lehilahy eto an-tany
Fa misy Tena ray…
Nanolotra fitiavana tsy misy ambadimbadika
Namafy ny fotoanany sy ny vola izay ananany kanefa tsy nivadika ho zary Papa saosy fa nitoetra ho Tena ray…
Misaotra indrindra anao
Dia ilay Ray be fitiavana nahita ny fonao no hamaly anao zato heny
Misaotra indrindra anao fa ho valiako amin'ny hafa ireny nataonao ahy ireny
Misaotra Dada.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
201 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139