Ampianaro hamela aho (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampianaro hamela aho fa Ianao mahalala tsara hoe mafy tena mafy ny zavatra efa niainako
Ampianaro hamela aho fa Ianao irery ihany no afaka mitsabo ny fo sy ny fisainako
Ampianaro hamela aho fa te handroso hivoatra tsy hifatotra amin’ny lasa
Ampianaro hamela aho mba ahafahako mifantoka amin’ny tanjona kinasa

Ampianaro hamela aho fa manam-paniriana ny ho voavela koa
Ampianaro hamela aho fa te hanan-karena fahadiovam-po
Ampianaro hamela aho fa te ho fitaratry ny zandry mbola hino
Ampianaro hamela aho na aza tsy ho vitako ny hamafa sy hanadino

Ampianaro hamela aho fa ny sompatra efa niainako dia efa navotanao
Ampianaro hamela aho fa ny zavatra efa very nosoloinao ho vaovao
Ampianaro hamela aho fa ny ratsy natao ahy tsy nahasakana ny diako
Ampianaro hamela aho fa hanahaka anao no anton’ny fisiako
Ampianaro hamela aho ka hahay mankasitraka amin’ny zavatra rehetra
Ampianaro hamela aho ka ho masina avokoa na fisainana na toetra
Ampianaro hamela aho, tsy izay mifona ihany fa na izay minia miezaka ny mbola hanisy ratsy
Ampianaro hamela aho fa ny fahasoavanao no nomenao ahy ho vatsy.


Tsy rendrika Spica 04/23/2022 10:38
--------
Rohy:
Sokajy : Vavaka - Alahelo
265 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 04/08/2023 16:44
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141