Hanoraty tononkalo (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry namako poeta a, hanoraty tononkalo aho,
Hilazako ny ao am-poko amin’ilay andrian’ny saiko
Ambarao aminy hoe izy iny dia lalaiko amin’ny momba azy rehetra
Na ny endriny na toetra
Dia samy tiako eny aminy
Iriako ny ho olo-maminy
Tiako aho mba ho raisiny ho olon-tiana
Fa efa elaela ihany no nitia azy mangina

Ry namako poeta a, hanoraty tononkalo aho ho’aho dia ataovy tsara rindra
Ahatsapany tanteraka fa iriako indrindra
Ny hanokafany ny fony hidiran’ny fitiavako
Izy tsy ataoko hoe namako na havako
Fa ilay tokana safidy iarahana eto an-tany
Hiaraka higoka ny tantely sy ny mamy
Fa ho fy foana ny fiarahana
Raha izahay no miara-dalana

Ry namako poeta a, hanoraty tononkalo aho,
Dia ny anarany no ataontsika lohateny
Mba ho tsaroany tsara fa tsy fotsiny hoe teny
Entina mambabo ny fony ho voasarika
Ilay vetsonao fa marika
Hoe tiako mba hitoetra tsy ho ravan’ny fotoana
Ilay fitiavako niriko hafindra ao am-pony
Satria ny tononkalonao dia hovakiana foana
Noho ny hatsarany na aza isika tsy ho eto intsony

1 nov 2021
Tsy rendrika Spica
--------
Rohy:
230 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142