Ho an’ilay tiako (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy ny fetr’andro voatondro handaozako ny tany,
Hangatsiahan’ito nofoko tsy hitempoan’ny foko intsony
Raha izaho no lasa alohanao, miangavy aho tsy hitomany
Ireo havan-tiako sy ireo namako ary ny fonao no ampionony

Tarigetrako hatrany ny ahitanao fahasambarana
Na ho tapitra aza ny aiko ka handao anao ny tenako
Ny fahoriako, fahasambarako, nofinofiko hifarana,
Fa enga anie ho tena tia ilay hisolo ny toerako

Enga anie izy hitia anao ka hanohy ny tarigetrako
Ka ny ainy no ho fetra hitiavany anao
Ho avy ny andro hivalona any ny izaho sy ny rehetrako
Dia ho izy tena tia no ho antom-pahasambaranao

Raha sanatria indray moa ka hoe, ianao no handao ahy mialoha
Tsy hokosehiko ato am-tsaiko ny anaranao izay mamiko
Ireo rehetra niarahantsika, hotehiriziko ato am-po
Ka raha tsy hisy solonao dia efa hasambarana ny omaliko

Ireo havan-tiako sy ireo namako ary ny fonao no ampionony
Raha izaho no lasa alohanao fa fadio ny mitomany
Hangatsiaka itony nofoko ny foko tsy hitempo intsony
Raha ho avy ny fetr’andro voatondro handaozako ny tany,

Tsy rendrika Spica 18 mai 2013
--------
Rohy:
464 1
Mpakafy: Cristal23
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224