Isika… (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo hijanona any aloha ny volana baliaka
Fa ny tantaran-tsika izao no tiako mba soratana
Aleo mba tsy horesahana ny hira nandihizana
Fa ilay maha eo anilanao no iriako hankafizina

Na tsara sy malefaka ny rivotra mitsoka
Dia aleo mba ny “isika” no atao foto-dresaka…
Ary aza mitaraina aloha hoe mandeha be ny ora
Fa sintomy ho akaikinao aho dia orohy tsimoramora

Tsy rendrika Spica
02/02/2022
--------
Rohy:
232 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014