RAINAY ANY ANDANITRA (TSY RENDRIKA Spica)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rainay any an-danitra ô!
Ianao ray itambaran'ny zanakao rehetra
Ireo zanakao tso-po sy ireo zanakao izay tsapako ho hafahafa toetra
Ka tsy tiako antsoina ho namana
Ireo izay nivily lalana nanda ny anatrao
Ireo izay minia tsy te hahalala anao akory
Ny zanakao mifaly sy izay mahatsapa ho ory
Ka manome tsiny anao
Ary indrindra koa ray itambarako amin'ny namako namadika
Sy ireo izay nandratra ahy
Na manaratsy any am-badika

Ny vavako androany dia iraisako amin'ireo izay miantso anao ho Rainy
Na am-bava fotsiny ihany na amin'ny fo sy sainy

Ianao anie hohajaina manarena ny tany
Ny sitraponao ho to hatrany alavitra any dia …

Omeo anay anio, izahay dia izaho sy izy ny hanina sahaza ny vatanay malia
Ampianaro izahay hahay hifankatia
Sy hifamela heloka fa izany no fepetra napetrakao ho anay
Raha te hamindrana fo sy ho afaka izahay

Samy mety ho lavo, anaty fahotana na izaho na iny olona iny
Ka arovinao izahay mba tsy ho azontsiny
Amin'ny heloka tsy fantatra
Ampio hahay handositra ny fandrik'i Satana
Dia mba samy afaho anatin'ny hadalana izay mbola iainanay

Ianao no Tomponay
Ka aleo ianao no handidy
Ampahatsiahivo izahay fa tsy afaka hisafidy
Lanitra samihafa fa ny fanjakanao iray
Ka raha te ho any izahay dia tsy maintsy mbola hihaona
Raha tsy mahay mifamela dia samy any amin'ny helo…dia mbola mihaona foana….

Rainay any an-danitra ô!
Anao ny fanjakana,
Anao ny fahefana,
Anao ny fiderana,
Anay ny fikasana
Fa anao ny fanekena
Ka ampianaro izahay samy hahay hanetry tena
Amen
Tsy rendrika Spica
2022
--------
Rohy:
324 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TSY RENDRIKA Spica
Nampiditra : antsahoneywinner
Daty : 03/08/2023 16:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144