Asiako tsiky (Pharaon)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mety hisy hatezerana hitanao soritra eny amin'ny tava satria aho tsy fanaperana, mety hamoaka teny tsy voahevitra ny vava
hanaovako azafady, hialako tsy tsiny ihany
ary mba ho setrin'izany rehetra izany
dia asiako tsiky hatrany
hitsiky aho hoy aho
Mety hisy alahelo aman-tsento tsikaritrao eny amin'ny tarehy
satria aho olombelona ihany, indraindray tomany, indraindray mihomehy
ary mba ho tambin'ireo rehetra ireo
dia hitsiky aho ho anareo
eny, hitsiky avy ao am-po
--------
Rohy:
Sokajy :
Kolontsaina - Fiainana