I NENY (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsaroako daholo ny tenin'i nenyreko etoana, reko ombieny ombieny
ilay tenin'ny neny feno fitiavana
zarainy aminay tsy misy fitsaharana
Ny tambitambin'i neny no tena tsy foiko
mampitony ny foko, toa zary kaloiko
ilay rotsirotsy mampijanona ny tomany
reko mantsy ny fitiavan'i neny tsy mba lany
Meteza ianao ry neny eto anilako mandrakizay
raha lasa ianao izy no hianteheranay
hanampy anay amin'izato fiainana sarotra
hananatra ahy satria mbola tsy matotra
Ry neny malala izay tsy mba miala
ny fitiavanao ry neny no tsy manantsahala
na mafy ny manjo na sarotra izay atao
ny fitiavanao ry neny tsy aiza fa mbola ao am-ponao ao
--------
Rohy:
Mpakafy:
voady
