You are here: home > Vetso

ANY IZY - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Raha lasana tsy nahy
Ilay eritreritrao
Niriotra hanivatsiva
Dia hiventso ho ahy
‘Reo nofinofinao
Amin’ny feo iva
Mainka raha izany
Angamba aho handresy ankaso rehefa
Lasana ambiroa
Angamba inoako ihany
‘Lay lavitry ny maso nefa
Akaikin’ilay fo.

Raha toa ianao variana
Ilay sedra nahatsikaritra
‘Reo loko mahasodrian’
Ilay fara-vodilanitra.

Raha nahateny irery
Omban’ny sento iva:
Banjino koa ny havoana;
Izaho aty mahatsiaro foana
Na dia tsy madiva.

Sokajy : embona

Hevitra mandeha

VOLAFIHA. (10/11/2015 11:15:03)

Atolotro ho an'ilay tompon'anarana!!! 3R

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 811
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA