You are here: home > Vetso

NIERINA NY TAONA - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Inoako marimarina fa
Mba tsaroanao ihany
Ny herin-taona lasa
Izay saiky nampivarina
Anao ho tena ambany
Noho ny haratsiam-pikasa

Raha tsy Izy Ray
Izay mpihaino vavaka
Nihaino ny talaho
Dia angamba ohatr’izay
Tena efa niravaka
Rojo vy ianao.

Na teo ireo ako ratsy
Tsy haiko ny nandao
Ny naniny, ny nandatsa…
Rano raraka iny mantsy
Mbola tiako foana ianao
Fiatia tombo-kavatsa.

Fiainam-baovao
Hatreo no nandrandraiko
Fa iainantsika
Dia eny, niova ianao
Nefa tsy ilay nantenaiko
Nanjary nangatsiaka…

Lasa ianao dia tany…
Ilay fitia izay nolalaiko
Navelanao ho moana.
Tsaroako ireny androany
Niverina ato an-tsaiko
Fa nierina ny taona.

Sokajy : Tsingerin-taona

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 1825
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA
EKEO