You are here: home > Vetso

ONJAN'NY FO - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Nisavaona ambony
Nidoboka mafy
Tsy nety ho tony
Ilay onja ato anaty

Ireo tsiahy mafonja
Namaky barazy
K’indreny ireo onja
Nisandratra ho azy.

Nisandratra lava
Nihoatra tamboho
Nanorika an-tava
Ilay onjan’ny fo.

Sokajy : Alahelo

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 1698
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
RANOMASO RITRA
EKEO