You are here: home > Vetso

ISAKY - VOLAFIHA

Azo vakiana?

Isaka maraina
Raha vao mifoha
Tsaroako foana ianao
Ny adiko an-tsaina,
Ny hasambaram-po
Miatrika aminao.

Isaky ny atoando
Eny na dia miasa
Tadidiko ihany ianao
Ny iry ny “any andro…”
Ny rakitry ny lasa
Natokako ho anao

Isaky ny alina
Mialoha ny hatoriako
Tsy hadino mihitsy ianao
Ny sentom-poko lalina,
Ny ventsom-paniriko
Aminao dia ho anao.

Sokajy : embona

Mombamomba

Mpanoratra : VOLAFIHA

Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 990
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

RAKI-TSAROBIDY
NIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA
EKEO