VAVAKO ANDROANY - VOLAFIHA
Nantsain'i
ikalamako
ikalamako
Andriamanitra ô!
Tsapako ankehitriny fa
Ny fitiavanao no mbola nahavelomako
Na dia be ireo tsiny,
Na dia be ireo tsiniko sy ny ady nitomako.
Andriamanitra ô!
Fantatro aho tsy mendrika ny hiresaka aminao
Mpanota aho tsy madio.
Indrisy he ireo loto,
Indrisy he ireo lotoko
Sasao re aho anio.
Andriamanitra ô!
Ny iangaviako farany…
Mba hantahanta ihany raha azonao ekena.
Izao no faniriako
Izay hany faniriako:
Tazony aho mba tsy hivena.
Andriamanitra ô!
Izay ny vavako androany.
Misaotra be dia be
Dia ny hosana anie
Ho Anao irery ihany.
Amen!
Sokajy :
Vavaka
Hevitra mandeha
VOLAFIHA. (04/01/2023 07:16:03)
ikalamako (06/01/2023 12:05:49)
Mombamomba
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 1379
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAKI-TSAROBIDYNIERINA NY TAONA
TENY IRAY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA
EKEO