EKEO (VOLAFIHA)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeo hoeeee!!!
Izao no soratra efa nisy
Tsy azontsika ahitsy
Tsy azontsika lavina
Tsy maintsy ankatoavina.

Ekeo f’izao no didy
Ekeo na dia mangidy
Ekeo fa fitondrany
Ekeo f’aza tomany

Ekeo f’izao no erany
Ekeo fa fiheverany
Ekeo fa mahasoa
Ekeo amin’ny fo.

Meteza tsy hidoika
Na dia tsy sitratsika
Eny hoy aho meteza
Ekeo! Dia … mahereza!!!
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/volafiha/ekeo
Sokajy : Fampaherezana
1306 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2898