HO AN'I ZANDRY - VOLAFIHA
Azo vakiana?
Raha hitia indrý Zandry dia izao no tadidio:
Tantely sady vahona io fitiavana io.
Indray mba mampifaly, mahasambatra aok’izany;
Indray toa mpampijaly, mandrotsaka tomany.
Maro ireo milaza hoe: ianao tiako be!
Dia manangolingoly, dia jereo anie fa
Ianao manontolo omeny dokadoka,
Omeny tokitoky, omeny lokaloka.
Aza mora renok’ireo tsara teoria;
Ataovy an-tsaina foana fa afo ny fitia.
Sarotra fantarina ny marina fanahy
Ka mba tsy hampivarina: manàna ahiahy.
Raha vonona hitia: tiava tsisy antony
Tiava ny halemeny, tiava ny hakantony
Aza miaitraitra hanenji-bitro roa
Tiava anankiray, tiava amin’ny fo.
Ny fitiavanao anao sy azy aza afangaro,
Aza omena laka ny hasarotam-piaro;
Raha fitiavan-tena no hitiavana ny tiana
Dia sady mampihena no manafa-pifaliana.
Raha hitia indry Zandry dia tandrovy aky ny tena.
Ianao ambany rahona mety mba ho lena.
Nefa na izany ny hasinao aloha tano
Andraso ny fotoany dia ho samba-tokantrano!!!
Mombamomba
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 1055
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAKI-TSAROBIDYNIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
RANOMASO RITRA