RANOMASO RITRA - VOLAFIHA
Lany nandroahako ny setra sy ny ankaso
Ny vongan-dranomasoko
Lany nanondrahako ilay voninkazonao
Izay kely sisa tao.
Tsy mba notsitsiko fa natosako daholo
Mba hamelom-bolo
Ilay raozinkelintsika tsy mety velon’aina
Mbola tsy antenaina
Izao anefa indrisy
Teren’ny zava-misy
Ilay afon’ny fitiavako mirehitra ato anaty
Tsy maintsy atao maty
Nefa tsy ahavono ilay afo iainantsika
Ilay ranomaso ritra.
Sokajy :
Alahelo
Mombamomba
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.Daty : 10/11/2015
Mpamangy : 1451
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RAKI-TSAROBIDYNIERINA NY TAONA
TENY IRAY
VAVAKO ANDROANY
RINDRA
MATOKIA
ISAKY
HOTEZERAKO
ONJAN'NY FO
EKEO